Ireo Fiangonana Kristianina an'Andriamanitra

 

[051]

 

 

 

Ireo Fanontaniana atao amin’ny Paska

sy ireo Anton’ny Finoantsika [051]

 

(Édition 2.0 20030411-20061222)

 

 

 

Ity fampianarana ity dia navoaka ho an’ny Fiangonana momba ny fizotran’ny sakafo amin’ny Paska/Hariva aman’Alina Fahatsiarovana izay Ihinanana ny Paska. Mandritra an’io fisakafoanana io, dia ilaina isika hametraka fanontaniana sy hamaly izany fanontaniana izany momba ny anton’ny fanompoana ataontsika sy ny finoantsika.

 

 

Christian Churches of God

PO Box 369,  WODEN  ACT 2606,  AUSTRALIA

 

 

adresy mailaka : secretary@ccg.org

 

 

(Copyright © 2003, 2006 James Dailley sy Wade Cox)

(Tr. 2014)

 

Azo adika sy zaraina maimaimpoana ity fampianarana ity raha atao manontolo izany fa tsy misy anesorana na ovàna akory. Tsy maintsy ampidirina ao koa ny anarana sy adiresin’ny mpanao boky ary ny fanambarana momba ny zon’ny mpanoratra. Tsy azo itakiana vola ny olona mandray ny boky nadika. Azo atao ihany ny mindrana ampaha-tsoratra fohifohy ho an’ny amin’ny gazety na asa soratra fitsikerana raha tsy manohintohina ny zon’ny mpanoratra izany.

 

Ity fampianarana ity dia azo raisina eo amin’ny pejin’ny World Wide Web :

http://www.logon.org/ sy http://ccg.org/malagasy/


Ireo Fanontaniana atao amin’ny Paska sy ireo Anton’ny Finoantsika [051]

 

Fampidirana momba ireo Fanontaniana tsy maintsy apetrakin’ireo Tanora amin’ny Paska

 

Ny Sakafon’ny Tompo dia tandreman’ireo olon-dehibe vita batisa izay mitandrina ny fanekena. Kanefa, ny fihinanana ny Paska mandritra ny Hariva aman’Alina Fahatsiarovana izay Ihinanana ny Paska dia tokony ho tandremana amin’ny ankapobeny miaraka amin’ny fianakaviana sy ny Fiangonana, tafiditra amin’izany ireo zaza (na zanaka) na ireo olona mbola tsy nibebaka (non converties). Aloha kelin’ny fahataperan’ny sakafo, zaza iray na olona iray tsy mbola nibebaka hametraka fanontaniana toy ny hita ao amin’ny Eksodosy 12:26, “Inona ny anton’izao fanompoana ataonareo izao ?”. Tokony misy olona iray voatendry handamina ireo fanomezam-panazavana ny valin’ny fanontaniana ho an’ny rehetra. Ny dikan’ny Paska miaraka amin’ireo fanazavana dia tokony hanarona : ny fanavotana, ny sorona, ireo marika, ireo lahimatoa, ireo voaloham-bokatra sy ny fifandraisan’ny fanekena amin’ny sakafo dia ny zanak’ondry, ny divay, ny mofo tsy misy masirasira (lalivay), ireo anana mangidy ary ny sira. Izany dia tokony ho dinihina indray sy hazavain’ny Vatanan’i Kristy [ireo vita batisa] mba hahafahantsika rehetra hampitombo ny fahafahana mamaly am-bava ireo anton’ny finoantsika.

 

Misy andinin-Tsoratra Masina vitsivitsy izay mifanaraka amin’izany eto ambany. Ny amin’ny adi-hevitra atao amin’ny Paska, dia afaka anampiantsika andinin-Tsoratra Masina ary afaka hifanakalozantsika hevitra ny fampiharana izany. Ny mahasoa an’io Hariva aman’Alina Fahatsiarovana izay Ihinanana ny Paska io dia ao amin’ny andro mialoha ny fety sy ao amin’ny fahatongavan’ny Tompo. Araka ny fanao mahazatra, ireo raharaha atao ireo dia atao mitohy manomboka amin’ny hariva ka hatramin’ny aorian’ny misasak’alina. Noho izany, dia mitandrina ara-dalàna am-pahibemaso ny Alina Fiarentan-tory isika amin’ny fankasitrahana ny Raintsika sy eo am-piandrasana ary ho fanomezam-boninahitra an’ilay mpanavotra antsika, Jesosy Kristy, izay andrasantsika. 

 

Ny Sorona amin’ny Paska 

 

Eksodosy 12:21-29 Dia nampanalain’i Mosesy ny loholon’ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy : Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska. 22Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin’ny rà izay ao anatin’ny bakoly ary ny rà izay ao anatin’ny bakoly dia anenteno amin’ny tataom-baravarana sy ny tolana roa ; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran’ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain’ny andro. 23Fa Jehovah handeha hamely ny Egyptiana ; ary raha mahita ny rà eo amin’ny tataom-baravarana sy ny tolana roa Jehovah, dia handalo ny varavarana, ka tsy havelany hiditra ao an-tranonareo hamely anareo ny mpandringana. 24Ary hitandrina izany zavatra izany ianareo ho lalàna ho anareo sy ho an’ny taranakareo mandrakizay. 25Ary rehefa tonga any amin’ny tany izay homen’i Jehovah anareo araka izay nolazainy ianareo, dia tandremo izany fanompoana izany. 26Ary raha hanontany anareo ny zanakareo hoe: Inona no anton’izao fanompoana ataonareo izao ? 27dia holazainareo hoe: Izao dia famonoana ny Paskan’i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ny Zanak’Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy, fa namonjy ny tao an-tranontsika. Dia niondrika ny olona ka nivavaka. 28Ary dia nandeha ny Zanak’Isiraely ka nanao izany ; araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona no nataony. 29Ary nony namatonalina Jehovah namono ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Egypta, hatramin’ny lahimatoan’i Farao izay nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny trano-maizina, mbamin’izay voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra.

 

Eksodosy 34:14-15 Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’izay andriamani-kafa ianao ; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy, 15fandrao ianao hanao fanekena amin’ny mponina eo amin’ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana amin’ny fanatiny ;

 

Tsy maintsy mipetraka ivelan’ny tranontsika isika mandritry ny 36 ora, aorian’ny fiomanana ho amin’ny Paska izay nanomboka tamin’ny Voaloham-Bolan’ (Maizim-bolan’) ny volana Voalohany, izay antsoina koa hoe Abib.

 

Deotoronomia 16:1-7 [Ny amin'ny andro firavoravoana telo, dia ny Paska sy ny Pentekosta ary ny Tabernakely] Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan’i Jehovah Andriamanitrao fa tamin’ny volana Abiba no nitondran’i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ny alina. 2Ary vonoy ny Paskan’i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman’osy sy omby, eo amin’ny tany izay hofidin’i Jehovah hampitoerany ny anarany. 3Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy ; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin’ny tany Egypta, mba hotsarovanao amin’ny andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin’ny tany Egypta. 4Ary aoka tsy hisy masirasira eo aminao ao anatin’ny fari-taninao rehetra hafitoana ; ary aoka tsy hisy hitoetra miloaka alina ny henan’ny fanatitra izay novonoinao tamin’ny harivan’ny andro voalohany. 5Tsy hisy azonao hamonoana ny Paska ny tanànanao rehetra izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao ; 6fa eo amin’ny fitoerana izay hofidin’i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka izay nivoahanao avy tany Egypta. 7Ary atsatsiho amin’ny afo izy, ka hano eo amin’ny tany izay hofidin’i Jehovah Andriamanitrao ; ary miverena nony maraina, ka modia any amin’ny lainao.

 

Ny fahalalana sy ny fahazahoana ny Soratra Masina dia ilaina mba hahafahana hanao fanompoam-panahy ankasitrahana.

 

Hosea 6:6 Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an’Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.

 

Ity fanompoam-panahy ity no takina amintsika izay nanjary fanatitra.

 

Romana 12:1-2 [Ny fitondran-tena mahamendrika ny Kristianina] Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. 2Ary aza manaraka ny fanaon’izao tontolo izao ; fa miovà amin’ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina (tanteraka).

 

Io fanatitra io koa dia ao amin’ny fanomezana ireo ampahafolon-karena sy ireo fanampiana izay ampiasana hanohanana ny fampielezana ny Filazantsara.

 

Filipiana 4:17-18 Nefa tsy toy ny mitady ny fanomezana aho no ilazako izany, fa mitady ny vokatra izay hitombo ho voninahitrareo aho. Fa manana ny zavatra rehetra aho sady manana amby ampy aza ; feno aho, rehefa nandray tamin'i Epafrodito ilay zavatra nampitondrainareo, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra tian'Andriamanitra sady ankasitrahany.

 

Matio 26:17-19 Ary tamin’ny voalohan’ny andro fihinanana mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin’i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe : Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska ? 18Ary hoy Izy : Mankanesa any an-tanàna ho any amin-dralehilahy, ka lazao aminy hoe : Hoy ny Mpampianatra : Efa akaiky ny fotoako ; koa ato aminao Aho sy ny mpianatro no hitandrina ny Paska. 19Ary ny mpianatra dia nanao araka ny nasain’i Jesosy nataony ka namboatra ny Paska.

 

(Jereo koa Marka 14:12-16)

 

Hebreo 10:10-12 Amin’izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin’ny nanaterana ny tenan’i Jesosy Kristy indray mandeha. 11Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan’andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota ; 12fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka [na: mipetraka mandrakizay] eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra, 

 

Ny Fanavotana

 

Eksodosy 13:13 ary ny voalohan-teraky ny boriky dia hosoloanao zanak’ondry ; fa raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony ; ary ny lahimatoa rehetra amin’ny olona eo amin’ny zanakao dia havotanao.

 

(Jereo koa amin’ny Eksodosy 29:39-41)

 

Eksodosy 6:5-8 Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan’ny Zanak’Isiraely, izay ampanompoin’ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko. 6Koa lazao amin’ny Zanak’Isiraely hoe : Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy ampanaovin’ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ny fanompoana azy ; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo. 7Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho ; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ny fanompoana mafy ampanaovin’ny Egyptiana anareo. 8Ary Izaho hampiditra anareo any amin’ny tany izay nananganako tanàna homena an’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba ; dia homeko ho lovanareo izany : Izaho no Jehovah. 

 

Efesiana 1:13-14 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, - eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin’ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. 14Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an’ny tenany, ho fiderana ny voninahiny. 

 

Ireo Famantarana

 

Ny famantarana fototra dia ny fanehoana ny fomba ataon’Andriamanitra amin’ireo andriamani-kafa.

 

Eksodosy 10:1-2 Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy : Mankanesa ao amin’i Farao ; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon’ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy ; 2ary mba holazainao ho ren’ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.

 

Nomery 14:22-24 ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko, 23dia tsy hahita mihitsy ny tany izay nianianako tamin’ny razany homena azy ; eny, izay rehetra namotsifotsy Ahy dia samy tsy hahita izany. 24Fa ny amin’i Kaleba mpanompoko kosa, satria fanahy hafa no tao aminy, ka tanteraka tamin’ny fanarahana Ahy izy, dia ho entiko ho any amin’ny tany izay nalehany izy, ary ny zanany handova izany.

 

Deotoronomia 26:5-9 Dia hiteny eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe : Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin’ny olom-bitsy ; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa. 6Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy. 7Dia nitaraina tamin’i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika ; 8ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran’i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, 9dia nitondra antsika niditra teto amin’ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. 

 

Ireo Zanaka Lahimatoa

 

Ireo zanaka lahimatoa an’Andriamanitra dia natokana ho Azy ary Navotany.

 

Eksodosy 4:21-23 Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy : Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’i Farao ; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy. 22Ary lazao amin’i Farao hoe : Izao no lazain’i Jehovah : Zanako lahimatoa Isiraely; 23koa efa nolazaiko taminao hoe : Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy ; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.

 

Eksodosy 13:1-2 Ary Jehovah niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe : 2 Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin’ny Zanak’Isiraely, na olona na biby fiompy : Ahy ireny.

 

Eksodosy 13:14-15 Ary raha hanontany anao ny zanakao amin’ny andro ho avy ka hanao hoe : Inona no anton’izao? dia holazainao aminy hoe : Tanana mahery no nitondran’i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta, tamin’ny trano nahandevozana ; 15ary raha nanamafy ny fony ka tsy nandefa antsika Farao, dia novonoin’i Jehovah ny lahimatoa rehetra tany amin’ny tany Egypta, hatramin’ny lahimatoan’ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby ; koa izany no anaterako ho an’i Jehovah ny lahy voalohan-teraka rehetra, fa ny lahimatoa rehetra amin’ny zanako dia soloako.

 

Kolosiana 1:15-18 Izy no endrik’Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao ; 16fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety ambonin’ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana [Gr : seza fiandrianana], na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany ; 17ary Izy no talohan’ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra. 18Ary Izy no Lohan’ny tena, dia ny fiangonana [Gr : eklesia] ; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ny maty, mba ho Lohany amin’ny zavatra rehetra Izy.

 

Hebreo 12:23 amin’ny fihaonana fifaliana [na: ho amin’ireo tsy omby alinalina, dia ny fivorian’ny anjely] sy ny fiangonan’ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin’Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin’ny fanahin’ny olona marina izay efa natao tanteraka,

 

Apokalypsy 1:5-6 ary avy amin’i Jesosy Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany. Ho an’izay tia antsika ka namaha [Gr : nanasa] antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny ràny, 6sady efa nanao antsika ho fanjakana, dia mpisorona ho an’Andriamanitra Ray, - ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. 

 

Ireo Voaloham-Bokatra

 

Eksodosy 34:24-26 Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao ; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao. 25Aza manatitra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao ; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin’ny andro firavoravoana amin’ny Paska. 26Ny santatra amin’ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny. 

 

Levitikosy 23:10-13 Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe : Rehefa tonga any amin’ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin’ny voaloham-bokatrareo ho any amin’ny mpisorona ianareo ; 11ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan’i Jehovah izy, hankasitrahana anareo ; amin’ny ampitson’ny Sabata no hanevahevan’ny mpisorona azy. 12Ary amin’izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak’ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah. 13Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah ; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina.

 

Ireo voaloham-bokatra dia mety ho fijinjana (na fanangonana) ny olombelona, ny fanangonana ireo ampahafolon-karena dia mampahatsiaro an’izany.

 

Salamo 105:36 Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin’ny taniny Izy, Dia ny voalohan’ainy rehetra.

 

Ankehitriny izany dia ny Fiangonan’Andriamanitra.

 

Romana 8:23 ary tsy izany ihany, fa isika koa, na dia manana ny voaloham-bokatry ny Fanahy aza, isika aza dia misento ato anatintsika, miandry ny fananganan’anaka, dia ny fanavotana ny tenantsika.

 

Kristy no Voalohany amin’ireo Voaloham-Bokatry ny fijinjana.

 

1Korintiana 15:20-23 Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodi-mandry. 21Ary satria ny olona iray no nisehoan’ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty. 22Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. 23Nefa samy amin’ny filaharany avy : Kristy no santatra ; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy amin’ny fihaviany.

 

Jakoba 1:18 Tamin’ny sitrapony no niterahany antsika tamin’ny teny fahamarinana, mba ho santatry ny zavatra noforoniny isika.

 

Apokalypsy 14:4 Ireo no tsy voaloto tamin’ny vehivavy, fa virijina izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza no alehany. lreo no navotana avy tamin’ny olona ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry.

 

Deotoronomia 6:20-25 Ary raha manontany anao ny zanakao amin’ny andro ho avy ka manao hoe : Manao ahoana moa ny teni-vavolombelona sy ny didy ary ny fitsipika, izay efa nandidian’i Jehovah Andriamanitsika anareo ? 21Dia holazainao aminy hoe : Andevon’i Farao tany Egypta isika, ary tanana mahery no nitondran’i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta. 22Ary Jehovah nanao famantarana sy fahagagana lehibe sady mandoza tamin’ny Egyptiana sy Farao ary ny ankohonany teo imasontsika. 23Ary nitondra antsika nivoaka avy tany Izy hampidirany antsika mba homeny antsika ny tany izay nianianany tamin’ny razantsika homena azy. 24Ary Jehovah nandidy antsika hanaraka ireo didy rehetra ireo sy hatahotra an’i Jehovah Andriamanitsika, mba hahita soa mandrakariva isika sy ho velona tahaka ny amin’izao anio izao. 25Ary ho fahamarinantsika ny mitandrina hanaraka izany didy rehetra izany eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitsika, araka izay efa nandidiany antsika. 

 

Ny Divay

 

 Ny divay dia simbolin’ny voaloboka izay Israely sy ny Fiangonana ary ny divay no noraisina tamin’ny Sakafon’ny Tompo amin’ny Hariva aman’Alina Fahatsiarovana izay nihinanana ny Paska.

 

Genesisy 14:18 Ary Melkizedeka, mpanjakan’i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra.

 

Eksodosy 29:40 ary koba tsara toto ampahafolon’ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin’ny isan-janak’ondry iray.

 

Levitikosy 23:13 Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon’ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah ; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina [iray litatra].

 

Nomery 15:10 ary divay antsasaky ny hina no haterinao ho fanatitra aidina, ho fanatitra atao amin’ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah.

 

Nomery 28:14 Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina [telo litatra] amin'ny isam-bantotr'ombilahy iray, ary ampahatelon'ny hina [roa litatra] ho amin'ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina [iray litatra] ho amin'ny isan-janak'ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin'ny isam-bolana, araka ny volana amin'ny taona.

 

1Korintiana 11:20-28 Koa raha miangona ianareo, dia tsy misy hihinanana ny Fanasan’ny Tompo (Sakafon’ny Tompo) akory. 21Fa raha mihinana ianareo, dia samy homana ny sakafony avy aloha ianareo ; koa ny anankiray dia noana, fa ny anankiray kosa mamo. 22Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo ? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan’Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana ? Inona no holazaiko aminareo ? Hidera anareo va aho ? Tsy hidera anareo amin’izany aho. 23Fa izaho efa nandray tamin’ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin’iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, 24ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy : Ity no tenako [izay vakina] ho anareo ; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. 25Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy : Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako ; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro ianareo. 26Fa na oviana na oviana ianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo ianareo mandra-pihaviny. 27Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy. 28Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka. 

 

Ny Zanak’ondry

 

Ny Lalàn’Andriamanitra dia nitaky fanatitra zanak’ondry iray ho fanavotana an’Israely amin’ny fanandevozana sy amin’ny ota. Io zanak’ondry io dia Kristy.

 

Ireo fanatitra ireo dia misy karazany maro ary miova araka ny maha izy azy (lahy na vavy). Ny fanatitra ho an’ny Ota dia vavy.

 

Levitikosy 4:32-35 Ary raha zanak’ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia ny vavy tsy misy kilema no ho entiny ; 33ary hametraka ny tànany amin’ny lohan’ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy ho fanatitra noho ny ota eo amin’ny famonoana ny fanatitra dorana. 34Ary hangalan’ny mpisorona amin’ny fanondrony ny ran’ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin’ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ny alitara. 35Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran’ny zanak’ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ny alitara, ambonin’ny fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah ; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.

 

Ny zanak’ondry dia solo ho an’ireo Patriarika sy ho an’Israely, ary solo ho an’izao tontolo izao.

 

Genesisy 22:7-8 Ary Isaka niteny tamin’i Abrahama rainy ka nanao hoe : Ry ikaky ô ! dia hoy izy : Inty aho, anaka. Ary hoy izy : Indreto ny afo sy ny kitay ; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana ? 8Fa hoy Abrahama: Anaka. Andriamanitra no hahita izay zanak’ ondry hatao fanatitra dorana ; dia niara-nandeha izy mianaka.

 

Jaona 1:29-36 Nony ampitso dia nahita an’i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka hoy izy: Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra [mitondra] ny fahotan’izao tontolo izao ! 30Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy. 31Ary izaho tsy nahalala Azy ; fa mba haseho amin’ny Israely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin’ny rano. 32Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny. 33Ary izaho tsy nahalala Azy ; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko hoe : Izay ho hitanao idinan’ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin’ny Fanahy Masina. 34Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’Andriamanitra. 35Nony ampitson’iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy ; 36ary nijery an’i Jesosy nitsangatsangana izy ka nanao hoe : Indro ny Zanak’ondrin’Andrimanitra ! 

 

Ireo Taolana

 

Ireo taolana izay tsy misy fahatapahana an’i zanak’ondry dia ohatra (simboly) maneho ny fahamarinan’i Kristy amin’ny fanatitra azy. Ny zanak’ondry dia tsy natolotra tahaka ny fanao tamin’ny Paska voalohany satria Kristy dia maty indray mandeha monja, nefa isika mitandrina io Sakafo io satria fahatsiarovana ny famonjena an’Israely sy ireo olom-boafidy izay ankehitriny ireo Fiangonan’Andriamanitra.

 

Eksodosy 12:46 Ao an-trano iray no hihinanana azy ; tsy hamoahanao eny ala-trano akory ny hena, ary tsy hisy hotapahinareo ny taolany na dia iray aza.

 

Nomery 9:12 Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany ; araka ny lalàna rehetra ny amin’ny Paska ihany koa no hitandremany azy.

 

Jaona 19:32-36 Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany sy ny an’ny anankiray koa izay niaraka nohomboana tamin’i Jesosy tamin’ny hazo fijaliana. 33Fa nony nankeo amin’i Jesosy izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony. 34Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin’izay dia nisy sy rano nandeha. 35Ary ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany ; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. 36Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe : Tsy hisy hotapahina ny taolany.

 

Salamo 34:19-20 Maro ny fahorian’ny marina ; nefa Jehovah manafaka azy amin’izany rehetra izany. 20Miaro ny taolany rehetra izy ; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.

 

Fitomaniana 3:1-4 Izaho ilay lehilahy nahita fahoriana tamin’ny tsorakazon’ny fahatezerany. 2Izaho no notarihiny sy nampandehaniny ho amin’ny maizina, fa tsy ho amin’ny mazava. 3Izaho ihany no asian’ny tànany mandritra ny andro mandrakariva. 4Nataony antitra ny nofoko sy ny hoditro, notapatapahiny ny taolako. 

 

Ny Mofo Tsy misy masirasira (lalivay)

 

Ity alina ity dia fiatombohan’ny Fetin’ny Mofo Tsy misy Masirasira izay misy heviny ara-panahy ho antsika.

 

Eksodosy 12:8-20 Dia hohaniny amin’izany alina izany ny hena ; voatsatsika tamin’ny afo no hihinanany azy mbamin’ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ny anana mangidy. 9Aza hanina manta na voahandro amin’ny rano izy, fa atsatsiho amin’ny afo mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny. 10Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina ; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin’ny afo. 11Ary toy izao no hataonareo, raha mihinana azy : ny valahanareo ho voasikina, ny kapanareo ho eo amin’ny tongotrareo, ary ny tehinareo ho eny an-tananareo ; dia hohaninareo faingana izy, fa Paskan’i Jehovah. 12Fa handeha hamaky ny tany Egypta amin’izany alina izany Aho ka hamono ny matoa rehetra amin’ny tany Egypta hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy ; ary ny andriamanitry ny Egyptiana dia hotsaraiko avokoa : Izaho no Jehovah. 13Ary ny rà dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo ; ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho. 14Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’i Jehovah ; hatramin’ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalàna mandrakizay. 15Hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira : amin’ny voalohan’andro no hanesoranareo ny masirasira amin’ny tranonareo ; fa na iza na iza homana mofo misy masirasira hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny fahafito dia hofongorana tsy ho amin’ny Isiraely. 16Ary amin’ny andro voalohany dia hisy fivoriana masina ho anareo ary amin’ny andro fahafito koa hisy fivoriana masina ; tsy hanao raharaha akory ianareo amin’izany andro izany, afa-tsy izay hohanin’ny isan-olona, dia izany ihany no hamboarinareo. 17Ary hitandrina ny andron’ny mofo tsy misy masirasira ianareo, fa izany andro izany indrindra no nitondrako ny antokonareo nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta ; dia hotandremanareo izany hatramin’ny taranakareo fara mandimby ho lalàna mandrakizay. 18Amin’ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan’ny andro fahiraika amby roa-polo amin’ny volana. 19 Hafitoana no tsy hisiana masirasira ao an-tranonareo ; fa na iza na iza homana izay misy masirasira dia hofongorana tsy ho amin’ny fiangonan’ny Isiraely, na vahiny na tompon-tany. 20 Tsy hihinana na inona na inona izay misy masirasira ianareo ; fa samy hihinana mofo tsy misy masirasira ao amin’izay itoeranareo rehetra avy ianareo.

 

Eksodosy 12:37-39 Dia niainga tao Ramesesa ny Zanak’Isiraely ka nankany Sokota, dia lehilahy mahalia lalana tokony ho enina hetsy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy. 38Ary nisy olona maro samy hafa firenena koa niara-niakatra taminy, ary ondry aman’osy sy omby, dia fananana be indrindra. 39Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy : fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.

 

Eksodosy 13:7-10 Ny mofo tsy misy masirasira hohanina mandritra ny hafitoana ; ary tsy hisy eo aminao izay mofo misy masirasira, ary tsy hisy izay masirasira akory ao aminao eny amin’ny taninao rehetra. 8Dia hambaranao amin’ny zanakao amin’izany andro izany hoe : Noho ny nataon’i Jehovah tamiko tamin’ny nivoahako avy tany Egypta no anaovako izao. 9Dia ho famantarana ho anao eo amin’ny tananao ary ho fampahatsiarovana eo ambonin’ny handrinao izany, mba ho ao am-bavanao ny lalàn’i Jehovah : fa tanana mahery no nitondran’i Jehovah anao nivoaka avy tany Egypta. 10Dia tandremo amin’ny fotoany isan-taona izao lalàna izao.

 

Eksodosy 34:25 Aza manatitra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao ; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin’ny andro firavoravoana amin’ny Paska.

 

Na koa : Exsodosy 34:25 Aza ampiarahina amin’ny mofo misy leviora ny sorona alatsa-dra, ary aza avela ho tra-maraina ny henan’ny sorona atao harivan’ny fetin’ny Paska (Baiboly Malagasy diem).

 

1Korintiana 5:8 ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin’ny masirasira ela, na amin’ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin’ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana. 

 

Ireo anana Mangidy

 

Ireo anana mangidy dia simbolin’ireo fatotrin’ny fanandevozana sy ny ota misaraka amin’Andriamanitra. Izany dia maneho ny fitohizan’ny toetra fadiranovan’izao tontolo izao hatramin’ny farany ary ny fibebahan’ny olombelona.

 

Eksodosy 1:13-14 Dia nampanompoin’ny Egyptiana fatratra ny Zanak’Isiraely, 14ka nataony mangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana mafy, dia tamin’ny feta sy ny biriky mbamin’ny fanompoana rehetra any an-tsaha, dia ny fanompoana rehetra izay nampanompoany azy fatratra.

 

Eksodosy 12:5-10 Zanak’ondry tsy misy kilema, dia lahy izay iray taona, no halainareo ; halainareo amin’ny ondry na amin’ny osy izy ; 6ary hotehirizinareo izy hatramin’ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ity volana ity ; dia hamono azy amin’ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra. 7Ary hanalany ny rà, ka hatentiny amin’ny tolam-baravarana roa sy amin’ny tataom-baravaran’ny trano izay hihinanany azy. 8Dia hohaniny amin’izany alina izany ny hena ; voatsatsika tamin’ny afo no hihinanany azy mbamin’ny mofo tsy misy masirasira sady hampiarahina amin’ny anana mangidy. 9Aza hanina manta na voahandro amin’ny rano izy, fa atsatsiho amin’ny afo mbamin’ny lohany sy ny tongony ary ny fadiny. 10Ary aza asianareo sisa ho tra-maraina ; fa raha tahìny misy sisa tsy lany ka tra-maraina, dia hodoranareo amin’ny afo.

 

Nomery 9:10-12 Mitenena amin’ny Zanak’Isiraely hoe : Raha misy olona eo aminareo, na eo amin’ny taranakareo hatramin’ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an’i Jehovah ihany koa izy. 11Amin’ny harivan’ny andro fahefatra ambin’ny folo amin’ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin’ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy. 12Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany ; araka ny lalàna rehetra ny amin’ny Paska ihany koa no hitandremany azy.

 

2Mpanjaka 14:26-27 Fa efa hitan’i Jehovah fa nangidy indrindra ny fahorian’ny Isiraely ; ary tsy nisy sisa, na ny voahazona na ny afaka, sady tsy nisy namonjy ny Isiraely akory. 27Fa tsy mba nolazain’i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin’ny lanitra ny anaran’ny Isiraely ; fa ny tànan’i Jeroboama, zanak’i Joasy, no nentiny namonjy azy.

 

Israely dia nalefa ho andevo, ary notakiana ny fibebahana mba ho voaarina (ho voahavaozina) izy. Ny fanavaozana dia afaka ho tonga amin’ny alalan’ireo asan’i Mesia ihany ao amin’ny Drafitra nokasain’Andriamanitra.

 

Amosa 8:7-12 Jehovah nianiana tamin’ny Reharehan’i Jakoba ka nanao hoe : Tsy hisy hohadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza ! 8Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an’i Neily sy hihena indray toy ny Neilin’i Egypta. 9Ary amin izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany ; 10Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana [Heb: lamba milailay] ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra ; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy. 11Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin’ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana [Heb: mosary] handre ny tenin’i Jehovah ; 12Ary hivembena hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina ny olona ary hatrany amin’ny avaratra ka hatrany amin’ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin’i Jehovah izy, nefa tsy hahita.

 

Mika 2:1-7 [Ny heloky ny Isiraely, sy ny hampijaliana azy, ary ny mbola hampodiana azy indray] Lozan’izay mamoron-keloka sy misaintsain-dratsy ao am-pandriany ! Ary nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy, satria manan-kery ny tànany. 2Ary mitsiriritra saha izy ka maka izany an-keriny, sy trano koa ka mahalasa azy; Ary mampahory olona mbamin’ny ankohonany izy, dia ny olona mbamin’ny lovany. 3Koa izao no lazain’i Jehovah: Indro, mamorona loza hamelezana ity firenena ity Aho, Izay tsy hahazoanareo hanafaka ny vozonareo, ka tsy handeha miandranandrana ianareo, satria andro mampahory izany. 4Amin’izany andro izany no hanaovana oha-teny handatsana anareo, Ka hitomaniana sy hidradradradrana hoe : Efa levona izao ! Eny, hiteny izy hoe : Fongana tokoa isika ; Ataony fanakalo zavatra ny anjaran’ny oloko ; Endrey ! afindrany hiala amiko izany ! Samy zarainy ho an’ny mpiodina avy ny tanintsika ! 5Koa tsy hisy aminao hanenjana famolaina akory hanaovana filokana Ao amin’ny fiangonan’i Jehovah. 6Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny ; Aoka tsy hiteniteny ny amin’ireto izy, Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony ! 7He ! izany teny izany ! Ry taranak’i Jakoba [Na: he ! ianao izay atao hoe taranak’i], Malaky tezitra va ny Fanahin’i Jehovah ? Ireto va no asa fanaony ? Tsy mahasoa izay mandeha mahitsy va ny teniko ?

 

Jakoba 3:8-14 fa tsy misy olona mahafolaka ny lela ; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty. 9Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray ; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik’Andriamanitra. 10Ny vava iray ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany. 11Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ny vavany iray ihany? 12Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan’oliva, na ny voaloboka mamoa voan’aviavy ? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan’ny mamy. 13Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana ? Aoka hasehony amin’ny fitondran-tena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena. 14Fa raha misy fialonana mirehitra (Gr : mangidy) sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina.

 

Ireo loza (areti-mandringana) tany Egypta dia tsy natao ho amin’ny fotoan-dasa ihany ; ny pesta sy ireo fizahan-toetra amin’ireo Andro Farany dia natao hitondrana izao tontolo izao amin’ny fibebahana.

 

Apokalypsy 8:8-11 Ary ny anjely faharoa nitsoka, dia nisy toa tendrombohitra lehibe mirehitra afo natsipy tany an-dranomasina ; ary tonga rà ny ampahatelon’ny ranomasina ; 9ary maty ny ampahatelon’ny zava-manan’aina tao andranomasina ; ary rava ny ampahatelon’ny sambo. 10Ary ny anjely fahatelo nitsoka, dia nisy kintana lehibe mirehitra toy ny fanilo latsaka avy tany an-danitra ; ny latsaka tamin’ny ampahatelon’ny ony sy tamin’ny loharano izany ; 11ary ny anaran’ilay kintana dia atao hoe Zava-mangidy ; dia tonga mangidy ny ampahatelon’ny rano ; ary maro ny olona no matin’ny rano, satria efa nangidy izany. 

 

Ny Sira sy ny Fifanekana amin’Andriamanitra

 

Ny Sira dia zavatra tena sarobidy taloha ary matetika ny olona miasa dia nokaramaina amin’ny sira. Ny sasany amintsika dia mety tsy manana ny tokony ho lanjan-tsira sahaza ho antsika, ary manomboka amin’ny Paska dia afaka miezaka hihatsara kokoa isika amin’ny fiainantsika. Ny sira dia ampiasaina amin’ireo sorona atao ho fitahirizana sy fanadiovana (Fr: antiseptique) ny Fifaneken’Andriamanitra amin’ny olombelona. Afa-tsy ireo fanatitra na sorona izay nodorana tanteraka, ny fanatitra dia nohanina ary ny divay nosotroina, izany no mahatonga ny fifanekana lehibe. Toy izany koa no ataontsika isan-taona amin’ny Sakafon’ny Tompo.

 

Fifanekena (SHD 01285) : (berith) (136b) : avy amin’ny teny barah : midika hoe : fifanekana iray, na fifanarahana.

 

Jeremia 34:18-19 Ary hatolotro ny olona izay nivadika ny fanekeko ka tsy nahatana ny tenin’ny fanekena, izay nataony teo anatrehako fony nosasahiny ny ombilahy kely, ka nandeha teo anelanelan’ny tapany izy, 19eny, hatolotro ny mpanapaka ny Joda sy ny mpanapaka any Jerosalema sy ny tandapa sy ny mpisorona ary ny vahoaka rehetra, izay nandeha teo anelanelan’ny tapaky ny ombilahy kely,

 

Genesisy 15:8-18 Ary hoy Izy : Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho ? 9Ary hoy Izy taminy : Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala. 10Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany ; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. 11Ary nidina teo amin’ny fatin’ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama. 12Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama ; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy. 13Ary hoy Jehovah tamin’i Abrama : Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any ; ary hampahoriny efa-jato taona izy. 14Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko ; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy. 15Nefa ianao kosa ho any amin’ny razanao amin’ny fiadanana ; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry. 16Fa raha mby amin’ny zafiafy, dia hiverina aty izy ; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita. 17Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan’ireo zavatra voasasaka ireo. 18Tamin’izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin’i Abrama ka nanao hoe : Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Egypta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,

 

Levitikosy 2:13 Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra ; ary ny siran’ny faneken’Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ny fanatitra hohaninao ; fa manatera sira miaraka amin’ny fanatitrao rehetra.

 

Nomery 18:19-21 Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin’ny zava-masina aterin’ny Zanak’Isiraely ho an’i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay ; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan’i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao koa. 20Ary hoy Jehovah tamin’i Arona : Tsy mba hanana lova eo amin’ny tany ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy ; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin’ny Zanak’Isiraely. 21Ary, indro, ny taranak’i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin’ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin’ny Trano-lay fihaonana.

 

2Tantara 13:4-6 Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin’ny tany havoan’i Efraima, ka nanao hoe : Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra : 5Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an’i Davida mandrakizay ny fanjakan’ny Isiraely ? dia ho azy sy ny taranany amin’ny fanekena nasiantsira. 6Nefa kosa Jeroboama, zanak’i Nebata, mpanompon’i Solomona, zanak’i Davida, nitsangana ka niodina tamin’ny tompony.

 

2Mpanjaka 2:19-22 Ary hoy ny mponina tao amin’izany tanàna izany tamin’i Elisa : Masìna ianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon’anaka [Na : tsy mahavanom-boly]. 20Dia hoy izy: Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany. 21Ary nivoaka nankany amin’ilay niandohan’ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe : Izao no lazain’i Jehovah : Efa nahatsara [Heb: nahasitrana] ity rano ity Aho ; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan’anaka intsony hiseho eto. 22Ka dia tsara [Heb: sitrana] ny rano mandraka androany araka ny teny nataon’i Elisa.

 

Ezra 6:9-11 Ary izay zavatra ilainy, na zanak’omby, na ondrilahy, na zanak’ondry, ho fanatitra dorana ho an’Andriamanitry ny lanitra, na vary tritika na sira, na divay sy diloilo, araka izay andidian’ny mpisorona any Jerosalema, dia aoka homena azy isan’andro isan’andro tsy tapaka izany, 10mba hanaterany fanatitra ho hanitra ankasitrahana ho an’Andriamanitry ny lanitra sy hivavahany mba ho ela velona ny mpanjaka mbamin’ny zanany. 11Ary izaho manao didy fa na iza na iza no mandika izao teny izao, dia aoka hangalana hazo avy amin’ny tranony, ary haorina, dia hahantona eo ny tenany ; ary aoka hatao firinga ny tranony noho izany. 

 

Ny Sira toy ny Ozona

 

Ny fandikana ny Fifanekana dia miteraka ozona ary ny mifanohitra amin’ny fitahiana dia ny tanin-tsira.

 

    Salamo 107:34 Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, noho ny faharatsian’ny mponina eo.

 

Jeremia 17:5-6 [Ny amin'ny fahatokiana olona sy ny fahatokiana an'Andriamanitra, ary ny vavaka nataon'i Jeremia nangatahany famonjena] Izao no lazain’i Jehovah : ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin’i Jehovah ny fony. 6 Fa ho tahaka ny olona mahantra any [Na : ny anjavidy] an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa ; Fa honina any amin’ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin’ny tany sira izay tsy onenana. 

 

Ny Siran’ny Tany

 

Ireo olom-boafidy no siran’ny tany ary amin’ny alalan’izy ireo no anaovana fangatahana (fivavahana) amin’Andriamanitra ho an’ny Tany, tahaka ilay fomba fisoronana fanao taloha.

 

Ezekiela 43:24 Ary haterinao eo anatrehan’i Jehovah ireo, ary ny mpisorona handraraka sira eo aminy, dia hanatitra azy ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah.

 

Matio 5:11-13 Sambatra ianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. 12Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra ; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo. 13Hianareo no fanasin’ny tany ; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy ? Tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony izy, fa hariana any ivelany ka hohitsahan’ny olona.

 

Marka 9:49-50 Fa samy ho voasira amin’ny afo izy rehetra [Ampio hoe: ary ny fanatitra rehetra samy ho voasira amin'ny fanasina]. 50Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony ? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara hianareo.

 

Lioka 14:34-35 Koa tsara ny sira ; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy ? 35Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian’ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino. 

 

Hazony mafy ny famonjen’Andriamanitra ary tomoera ho ‘fanasin’ny tany’ (siran’ny tany). Tadidionareo io alina io sy io sakafo io ary koa ny antony itandremantsika ireo.

 

Ho avy ny andro rehefa tonga indray ny Mesia ka handray toerana eo amin’ny Tendrombohitra Masina ao Jerosalema. Handeha ho any isika ka hiaraka aminy (Kristy), ary misy iraka maro halefa any amin’izao tontolo rehetra izao hamerenana ireo olom-boafidy any Israely mba hanatanterahany ny fitantanana (fanapahana, famehezana) ao amin’ny Tempoly ao Jerosalema. Io Firohotra (Fifindra-monina rodobe ; Exode) faharoa io dia hisolo an’ilay taloha amin-kery sy amin’ny  heviny ary ny Lalàn’Andriamanitra dia hanjaka eto an-tany mandrakizay (Isaia 6:18-24).

 

q